- Publicité -
dimanche, mai 18, 2025

Tapatapany

# Bemasoandro Itaosy. « Transformateur » nirehitra. Hatairana ny an’ireo mponina teny Bemasoandro Itaosy omaly hariva, tokony tamin’ny 7 ora teo. Nirehitra mantsy ny « transformateur » teny amin’iray amin’ireo andrin-jiro teny an-toerana, naharitra 30 minitra teo ho eo. Soa fa nalaky tonga teny an-toerana ny avy amin’ny mpamonjy voina namono ny afo. Nanapa-kevitra haingana ihany koa ny avy amin’ny Jirama, nanapaka ny jiro, raha tsy izany mety ho zava-doza no niseho.

#- Vola sandoka. Miparitaka eny ambony taxi-be. Miroaroa tanteraka ny sain’ireo olona efa tratra: tena izy sa vola sandoka. Miparitaka tokoa mantsy amin’izao ny vola 2000Ar, somary kely raha mitaha amin’ny tena izy, mora miala ireo soratsoratra sy ireo kisarisary aminy. Ahitana lohan’omby tsara anefa, saingy voalaza fa tsy amin’ny toerany mahazatra ny ahitana an’ilay tsipika mangirana iny. Ireo taxibe hatreto no tena lasibatra mahazo ity karazam-bola ity. Koa manainga ny sain’ny tompon’andraikitra hijery akaiky ity tranga ity.

# – Andavamamba. Olona iray voatifitra teo amin’ny kibony. Ny alin’ny sabotsy hifoha alahady, jiolahy voalaza fa miisa valo nitondra basy no nanafika trano iray teny Andavamamba. Ny vaovao no nahalalana fa nisy raim-pianakaviana notifirin’ireo jiolahy teo amin’ny kibony. Lasan’ireo olon-dratsy ny vola rehetra tao an-trano niaraka tamin’ny fahitalavitra. Ny vaovao hatrany no nahalalana fa nafenina tao ambany tele ireo vola ireo ary izany no nahitan’ny mpangalatra an’izany. Avotra soa aman-tsara kosa ilay voatifitra rehefa nentina teny amin’ny hopitaly.

Nangonin’i r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser