Mahajanga – Sambo sy lakana nifandona : olona roa tsy hita popoka. Tany Mahajanga ny alarobia teo, tokony ho tamin’ny folo ora maraina no nitrangan’ity lozam-pifamoivoizana an-dranomasina ity . Sambo lehibe iray avy any Morondava ka saika hihazo an’i Mahajanga no nifandona tamin’ny lakana kely nampiasain’ny mpanjono fito, raha araka ny vaovao azo teo anivon’ny zandary. Teo anelanelan’i Soanala sy Nosy Makamba no tena nisian’io loza io. Nahavita nisaoty tao anaty rano ireo olona fito, ka ny dimy tamin’izy ireo no avotra soa aman-tsara raha tsy hita popoka kosa ny roa. Mbola mitohy ny fikarohana azy ireo.
Moramanga – Telo lahy nosamborina noho ny vola sandoka. Fampiasana vola sandoka ary koa fanahiana sao izy ireo no mpanao izany no antony nisamboran’ny mpitandro filaminana ireo lehilahy telo. Avy amin’ny fokonolona ihany ny vaovao ary namarinin’ny mpanao fanadihadiana. Natao ary ny vela-pandrika ary dia tena nitombina tokoa fa nisy vola sandoka tany amin’izy ireo. mitentina 1.350.000 ariary izany. Miompana amin’ny fitadiavana ny toerana nanaovana ireo vola sandoka sy ireo fitaovana amin’ny fanamboarana an’ izany ankehitriny ny fanadihadiana.
D.R