- Publicité -
vendredi, mai 16, 2025

Tapatapany

# Nihitsoka tanteraka omaly ny lalana mihazo an’Ivandry omaly. Tonga hatrany Antanimena dia efa niraikitra ny fifamoivoizana. Ny anton’izany dia ny fisian’ny lozam-pifamoivoizana roa karazana teo Alarobia-Ivandry. Teo anoloan’ny stade alarobia ny iray ary tsy mifanalavitra teo koa ny faharoa. Ny voalohany dia taxi-be roa no nifandona. Ny faharoa kosa dia fiara kely iray nifandona tamin’ny fiara tsy mataho-dàlana. Nifanandrify tanteraka tamin’ny firavan’ny mpiasa izany hany ka niraikitra tanteraka ny fifamoivoizana, hatrany amin’ireo faritra manodidina teo.

#Tetezan’afovoany. Mpivarotra nisy nanafika. Nisehoana fanafihana mitam-basy ny teny amin’ny faritra Antetezan’afovoany iny, omaly tokony ho tamin’ny 1ora maraina. Araka ny vaovao voaray dia telo lahy mitam-basy no niditra tamina fivarotana iray teny an-toerana. Lasan’ireto jiolahy ireto tamin’izany ny vola « versement »n’ity fivarotana ity. Tsy nisy naninona kosa ny tompon-trano. Teknika vaovaon’ny jiolahy amin’izao fotoana izao ny manampitsoka trano hotafihan’izy ireo, amin’ny alalan’ny fanapahana ireo savilim-baravarana. Koa mba mailo hatrany.

#Andohatampenaka. Vehivavy maty niharan’ny herisetra. Araka ny loharanom-baovao dia namoy ny ainy teny amin’ny toeram-pitsaboana ny vehivavy iray, manodidina ny 22 taona teo. Nahitana mangana sy ratra isan-karazany ny vatan’ity vehivavy ity ary nivoaka rà ny vavany. Araka ny loharom-baovao hatrany dia voalaza fa niharan’ny herisetra, ity tovavavy ity saingy mbola tsy fantatra hatreto ny nahavanon-doza.

Nangonin’i D.R / m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser