- Publicité SW45 -
jeudi, mars 13, 2025

Tapatapany

#  Ambohimanarina. Olona roa voatsatoka antsy, maty ny iray. Ankizy iray no fantatra fa maty vokatry ny tsatoka antsy nahazo azy teny amin’ny faritry ny lohany. Maratra mafy ihany koa ny reniny ary mbola tsaboina eny amin’ny hopitaly amin’izao fotoana izao. Ny vaovao no nahafantarana fa mpanao biriky tao amin’ireto olona ireto ihany no nahavanona ny loza. Tonga nitaky ny karamany ity olona ity. Ilay zaza irery no tao ary nilaza fa tsy mbola misy ny vola. Dia izay no niatombohan’ny gidragidra.

#  Anosy. “Ordinateurs” 33 very. Olona dimy naiditra am-ponja. Tamin’ny tapatapaky ny volana jolay teo, nisy halatra niseho tao amina orinasam-panjakana iray eny Anosy. Nahazo fanomezana avy amin’ny PNUD ry zareo, “ordinateurs” 33. Very avokoa anefa ireo fitaovana vaovao ireo. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa tsy vaky ny trano. Olona telo ihany anefa no manana ny lakile miditra ao amin’ny efitra nisy azy. Rehefa nanao ny famotorana ny polisy, fantatra fa olona dimy no voarohirohy ka anisan’izany ny tale iray. Niakatra teny amin’ny Fampanoavana ny raharaha ary dia nalefa tany am-ponja avokoa izy ireo. Efa nivoaka anefa ilay tale amin’izao fotoana izao.

Nangonin’i r.s.

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser