# – Mahajanga. Nahazo fahafahana vonjimaika. Taorian’ny nanolorana ny fampanoavana an’ireo olona sivy voasambotra tamin’ny sakoroka tany Mahajanga, ny alatsinainy teo, fantatra fa nahazo fahafahana vonjimaika avokoa izy ireo. Marihina fa mpianatra mpandraharaha ao amin’ny oniversite ary olon-tsotra ireo voasambotra ireo. Etsy andaniny, miverina tsikelikely amin’ny laoniny ny fiainan’ny olona. Nizotra antsakany sy andavany ihany koa ny fanadinana bakaloreoa teknika.
r.s.