- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025

Tapatapany

# – Mahitsy. Lasan’ny jiolahy ny volabe. Notafihan’ny jiolahy ny fivarotana iray teny amin’ny faritry Mahitsy ny asabotsy teo tamin’ny 8 ora sy sasany alina. Lasan’izy ireo ny vola maty tamin’io andro io. Ny vaovao no nahafantarana fa telo ry zalahy, nitondra basy kalach ary nanao fanamiana mpitandro filaminana sy nisatroka “beret” mena.

# – Antsohihy. “Citerne” nipoaka, trano enina may. Omaly alahady, nipoaka ny fiara “citerne” nitondra solika teo afovoan-tanan’Antsohihy. Vokany, trano enina teo amin’ny manodidina no kilan’ny afo. Ny vaovao no nahafantarana fa, nisy fahasimbana ity fiara ity ary nanao “soudure”. Izay no nampirefotra azy. Tsy nisy ny naratra sy ny aina nafoy. Trano lehibe roa sy kely efatra ireo nirehitra ireo.

nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser