- Publicité SW45 -
mardi, mai 14, 2024
- Publicité -

Tapatapany

# – Analamahitsy. Tsy hita izay nalehan’ilay ramatoa nitondra zaza. Ny asabotsy folakandro, tokony ho tamin’ny 4 ora tany ho any, nisy vehivavy iray nitondra zaza tokony ho enim-bolana eo, niantsena teo amin’ny « cité ». Nividy zavatra teo amin’ireo mpivarotra « friperie » izy, voalaza fa nampiakanjony an’ilay zaza. Rehefa izany dia nilaza hamonjy WC izy. Dia niandry teo ilay mpivarotra, nefa dia tsy niverina intsony ilay ramatoa.  Hariva ihany ny andro fa tsy hita izay nalehany. Nanapa-kevitra ny olona fa haterina any amin’ny biraon’ny polisy ilay zazakely.

# – Antsahabe. Fatin-dehilahy hitan’ny olona. Omaly maraina no nisy nahita tao anelanelana fiara roa ny fatin-dehilahy iray. Ny asabotsy dia efa nisy nahatsikaritra azy nivembena nandeha teny an-dàlana, hoy ny vaovao voaray. Tsy fantatra izay nanjo azy , fa ny fatiny sisa io hita io. Nisy ny nilaza fa ankevitry ny mamo  izy ary tsy nisy nahita ny nianjerany. Eo amin’ny 34 taona eo ity olona ity. Mbola teny aminy avokoa ny fitafiany.

Nangonin’I r.s.

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser