# Ankorahotra. Rangahy maty voadonan’ny fiara. Nisehoana lozam-pifamoivoizana, teny Ankorahotra iny, afakomaly alina tokony tany amin’ny 11ora tany ho any. Rangahy iray, 40 taona no nindaosin’ny fahatesana, rehefa avy nodimina fiara tsy fantatra. Mafy ihany ny fandonana. Vaky ny lohan’ity rangahy ity, ka nitarika ny fahatesany. Nalefa avy hatreny teny amin’ny tranompaty ny razana.
#Tsiroanomandidy. Tovolahy mamo, maty niady taman’olona. Nila vaniny taman’olona ity tovolahy mamo ity, tao Ankadinondry Tsiroanomandidy. Tezitra tamin’izany ilay olona niady taminy, izay vaky molotra ka avy hatrany dia namely. Nianjera io mamo io ary nidona tamin’ny vato ny hatony. Nentina avy hatrany tany amin’ny dokotera, kanefa tsy avotra intsony.
Nangonin’i m.L