- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025

Tapatapany

# – Ambohimirary. Telo lahy nanafika. Trano roa no indray notafihan’ny jiolahy tamin’ny alatsinainy teo, teny Ambohimirary sy Ampanotokana. Nitondra basy ireo olon-dratsy. Tokony ho tamin’ny misasakalina ny teny Ambohimirary. Nopitsohan-dry zalahy ny varavarana rehefa avy nihanika tamboho sy niakatra lavarangana izy ireo. Voarahona tamin’ny basy maherivaika ny tao an-trano ary tsy nisy sahy nihetsika. Nalainy ny vola sy ny finday. Rehefa izany, lasa ry zalahy. Sahala amin’izany ihany koa ny teny Ampanotokana. Voaambana basy ny tompon-trano, nalain’izy ireo ny vola sy ny entana tsara rehetra. Tamin’izany rehetra izany, tsy nisy nahare ny zavatra niseho ny manodidina.

# – Andramasina. Trano dimy notetezin’ny jiolahy. Afak’omaly alina, trano dimy be izao no indray norobain’ny jiolahy tany amin’ny faritra Andramasina. Manamorona ny lalana ity tanàna ity. Tonga irao mpangalatra ary dia nasesiny nidirana ny trano. Voalazan’ny vaovoa fa sivy izy ireo. Ny enina hatrany anefa no miditra mandroba fa ny ambiny niandry taty ivelany. Izay nandalovany, nahazoany vola sy entana avokoa. Nisy nahare ihany izany zavatra izany. Nisy koa ny olona tafatsoaka ka nila vonjy tamin’ny tanàna manodidina. Raikitra ny fitsofana sifile. Raha nahare izany ireo jiolahy dia lasa nandeha. Raikitra ny fanarahana azy ireo saingy tsy hita izay nalehany.

Nangonin’i r.s.

 

# Ambohimahasoa. Taxi-brousse miisa 15 no indray notorahin’ny jiolahy tamin’ny vato. Vaky avokoa ny fitaratr’izy ireo saingy mba tafatsoaka avokoa ireo fiara fitaterana. Ny alin’ny talata hifoha alarobia teo no nitrangan’izany fanafihana izany.

# Amboasary atsimo. Raikitra indray ny fanafihan-dahalo. Manodidina ny zato ny isan’ireo olon-dratsy raha araka ny vaovao azo tamin’ny mpitandro ny filaminana. Tsy nisy na inona na inona nalain’ireo jiolahy fa dia ny tanàna fotsiny no nodorany, raha araka ny vaovao azo hatrany. Tanàna iray manodidina an’Amboasary atsimo izy io.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser