#Anosibe. Rangahy iray hita faty. Nahitana fatin-dehilahy iray teny amin’ny faritra Anosibe iny omaly. Tsy fantatra mazava hatreto izay antony nahafaty ity rangahy, eo amin’ny 40 taona ity. Raha ny filazan’ny olona dia ankevitry ny matin’ny hatsiaka na hanohanana ity rangahy ity, satria isan’ireny olona tsy manan-kialofana ireny. Nalefa avy hatrany eny amin’ny tranom-paty ny razana.
#Sadabe. Rangahy niandry mangahazo, notetitehina tamin’ny antsy. Ny alakamisy tokony ho tamin’ny 4 ora maraina no nahitana ity rangahy, 45 taona, nihosin-drà teny akaikin’ny tani-mangahazony, tany amin’ny faritra Sadabe. Araka ny fantatra dia norasarasaina tamin’ny kalaza ity lehilahy ity. Nentina avy hatrany teny amin’ny hôpitaly izy, satria mbola niaina kely, saingy tsy tana intsony ny aina, nony tonga teny.
Nangonin’i m.L