- Publicité -
vendredi, juin 13, 2025

Tapatapany

#Itaosy. Jiolahy dimy nanafika mpivarotra. Nisehoana fanafihan-jiolahy indray ny teny Itaosy afak’omaly hariva. Araka ny fantatra dia jiolahy dimy, nitondra zava-maranitra sy basy « tsy mipoaka », nanafika mpivarotra iray tany Ambaniala. Lasan’izy ireo tamin’izany ny vola maty nandritra ny andro. Nanapoaka zavatra kosa ireto olon-dratsy, ho fampitahorana ireo olona saika hanenjika azy ireo. Tsy nisy aloha aina nafoy. Saingy voalaza fa nisy olona iray tamin’ireo fokonolona no naratra, vokatry ny fipoahana.

#Analamahitsy. Nirefotra ny basy. Ny alatsinainy, tokony ho tamin’ny 9ora alina, mpitandro filaminana nandeha môtô, no nosakanana jiolahy efa-dahy, teo akaikin’ny toby fivarotan-tsolika teny Analamahitsy. Ny iray eo aloha, ny roa kosa avy ao aoriana. Vao nahita ny fihetsik’ireo olon-dratsy ireo ity mpitandro filaminana, tsy nanao fanamiana, ity dia avy hatrany dia nanapoaka basy nanao tifi-danitra. Nitsoaka nandositra kosa iretsy jiolahy raha vao nahita an’ity farany namoaka basy. Mailo tamin’izany ilay fivarotan-tsolika ka nandrindrina ny varavarany avy hatrany.

Nangonin’i m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser