- Publicité -
samedi, mai 10, 2025

Tapatapany

# Fandratrana olona teny Analakely. Naverina nohenoina ilay teratany vahiny. Araka ny vaovao azo avy any amin’ny mpitandro filaminana, dia naverina nohenoina omaly teny Tsaralalàna, ilay teratany vahiny nikasi-tanana ka nandratrana lehilahy mpiasan’ny kaominina, nitranga ny talata lasa teo teny Analakely. Hatreto kosa dia mbola manohy ny fitsaboan-tenany ilay rangahy naratra iny andro iny.

# Ankadindramamy. Efa-dahy nisandoka ho mpitandro filaminana, nanafika tokantrano. Nisehoana fanafihan-jiolahy ny teny amin’ny faritra Ankadindramamy iny ny talata maraina lasa teo. Jiolahy efatra, nirongo basy, nilaza fa mpitandro filaminana hanao fisavana no nanao amboletra niditra tamina tokantrano iray. Lasan’ireo jiolahy tamin’izany ny fitaovana ao an-tokantrano maromaro sy vola 4 tapitrisa ariary. Soa fa tsy nisy ny naratra. Mitohy kosa ny fikarohana.

nangonin’i r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser