- Publicité -
samedi, juin 14, 2025

Tapatapany

# – ITAOSY. Orinasa notafihan’ny jiolahy mitam-basy. Afak’omaly alina dia nidirana andian-jiolahy mirongo basy an-keriny tao amina orinasa iray teny Itaosy. Rehefa tafiditra ry zalahy dia nofatorany ny mpiambina ary noteren’izy ireo hovakiana ny vata fitehirian-javatra tao anaty birao, izay noheverin’ireo olon-dratsy fa misy ny vola. Tsy nety nisokatra anefa izany ka niala maina ireo mpanafika. Lasa nandositra ry zalahy ka tsy nahazo na inona na inona.

# – AMPAHIBE. Tamboho nihotsaka. Mpianatra iray naratra. Omaly tokony ho tamin’ny 10 ora dia nirodana ny rarivato tetsy Ampahibe. Mpianatra sendra nandalo no nianjeran’ireo vato ary naratra mafy ka voatery nentina namonjy hopitaly haingana. Voalaza fa vokatry ny rotsak’orana naharitra no nahatonga izany. Vaotery nihodidina ihany koa ny fiara, satria nibahana ny arabe ireo vato ireo.

# – Andohotapenaka. Fatin-dehilay tao Ikopa. Raha nandalo tamin’ny sisin-drano ny lehilahy iray tokony ho eo amin’ny 49 taona, nibolisatra ary latsaka tany amin’ny ranon’Ikopa. Tsy hay na afaka nilomano izy io na ahoana fa tsy tafapoitra intsony avy eo. Ireo nahita izany no niezaka nitady azy nefa tsy nisy vokany izany.  Nantsoina ny mpamonjy voina ary ry zareo no nampaikatra ity olona ity avy ao anaty rano. Vatana mangatsika efa tsy misy aina intsony. Efa eny amin’ny tranom-paty Ampefiloha ny razana.

# – Tsaralalana. Maty teo ambony seza. Lehilahy iray eo amin’ny 61 taona eo no hita faty natory tao ambony seza teny Tsaralalàna, omaly. Tsy fantatra marina izay nahazo ity olona ity fa araka ny filazan’ireo nahita dia natory izy ary dia tsy nifoha intsony. Ao ireo niteny fa vokatry ny hanohanana no nahafaty azy . Hita ho reraka tokoa ity lehilahy lehibe ity, hoy ihany ny vaovao.

# – Anosibe. Mpitarika sarety maty. Omaly alarobia no nahitan’ny olona lehilahy iray fantatra fa mpitarika sarety eny amin’ny faritr’Anosibe tsena maty teny an-toerana. Hatramin’izao dia tsy fantatra marina ny nahazo an’ity lehilahy 32 taona ity. Ny tombatomban’ireo mahafantatra azy no ilazana fa maty vokatry ny toaka nosotroiny izy io. Eny amin’ny tranom-paty Ampefiloha ny razana amin’izao fotoana izao.

# – VOHIPENO. Olona enina voasambotra. Mbola mitohy ny disadisa mahakasika ilay ady tany ao Vohipeno ka nahatonga ny andian’olona nanao sakana ny lalam-pirenena. Nisy ny fidiran’ny mpitandro filaminana an-tsehatra handravana izany ka niafara tamin’ny fisamborana izany. Olona enina no voasambotra ary iray naratra vokatry ny fifandonana.

Nangonin’i A.R./r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser