# – Ambolonkandrina. Tapaka ny jiro. Velona ny fimenomenonan’ny mponina eny amin’ny faritra Ambohipo, Ambolonkandrina, Ankatso sy ny manodidina fa tapaka ela dia ela ny jiro, omaly alina. Tamin’ny 7 ora hariva, tsy mbola niverina ny jiro. Araka ny filazan’ny mponina, tamin’ny antoandro dia efa nisy fahatapahana adiny iray. Tsy teny amin’iny faritra iny ihany no nisy fahatapahana, fa saika nanerana ny renivohitra iray manontolo.
# – Taolagnaro. Dahalo 17 matin’ny DAS. Dahalo hatrany amin’ny 17 no fantatra fa, matin’ny miaramilan’ny DAS tany amin’ny faritry Taolagnaro tamin’ny fiandohan’ny herinandro teo. Raikitra ny fifanjevoana teo amin’ny mpitandro filaminana sy ireo jiolahy. 21 ireo olon-dratsy no sahy nifanandrina tamin’ny miaramila. Ankoatra ireo maty dia nisy iray voasambotra.
# – Maroantsetra. Adala namono zaza, matin’ny olona. Adala matanjaka iray no novonoin’ny olona tany Maroantsetra ny 16 septambra teo. Ny loharanom-baovoa no nahalalana fa, mahery setra ity tsy salama saina ity. Zazakely iray telo taona no nodarohany ary maty. Tezitra ny mponina koa dia novitainy ihany koa ity adala ity.
nangonin’i r.s.