# Ambohimangakely. Taolam-paty iray gony hita teny amoron-dalana. Nahitana taolam-paty tao anatina gonina simenitra teny Ambohimangakely ny alakamisy lasa teo. Araka ny fantatra dia nipetraka teo amoron-dalana io gony feno taolam-paty io. Rehefa natao ny fizahana dia fantatra fa taolana tamina razana efa maina izy ireo ka nahitana taolan-dava fito, potika taolana 12 ary taolan-tratra 12. Efa mandeha amin’izao fotoana izao ny famotorana mikasika an’ireo taolam-paty hita ireto.
# Analavory. Fanafihana jiolahy iray maty, naratra ny tompon-trano. Nisehoana fanafihan-jiolahy tany Analavory ny alin’ny alakamisy hifoha zoma lasa teo. Lehilahy iray no naratra vokatr’izany izay ary vola 7 tapitrisa ariary no lasan’ireo olon-dratsy. Nokapain’ireo olon-dratsy tamin’ny famaky ny tompon-trano ary naratra mafy. Nifanenjehana kosa ireo jiolahy, ka maty voatifitry ny mpitandro filaminana ny iray tamin’izy ireo. Olon-dratsy enina hafa azo sambo-belona. Manaraka fitsaboana ao amin’ny hôpitaly ilay rangahy naratra.
Nangonin’i m.L