# Andohalo. Rihana iray manontolo indray kilan’ny afo. Nisehoana fahamaizana trano teny amin’iny faritra Andohalo iny, omaly hariva. Nidonaka be ny setroka ka tazana hatrety ambany mihitsy. Efa nandeha sahady indray ny tsaho fa may fanindroany ny Rova. Trano tsotra misy rihana teny an-toerana anefa ity nirehitra ity. Voalaza fa tsy nisy olona tao anatiny. Tsy nisy aina nafoy na ihany koa naratra saingy potika tanteraka ilay efitra ambony rihana niaraka tamin’ireo entana tao anatiny, lasa lavenona. Mbola tsy fantatra hatreto izay tena antony nahatonga ny loza.
# Esira. Lehiben’ny dahalo iray maty, niaraka tamin’ireo namany am-polony. Dahalo maromaro avy any Marovitsika no nifandona tamin’ny fokonolona. Valo tamin’izy ireo no maty tamin’izany. Nanao valifaty ireto dahalo ireto ny 18 septambara lasa teo, tao Lapiry, kaominina Esira, ka nandoro trano miisa 300 tafo. Namaly bontana izany fanafihana izany anefa ireo fokonolona sy ny zandary tany an-toerana ka malaso miisa 11 no lavo. Isan’izany ny lehiben’izy ireo antsoina hoe Epara. Kalaky iray tany amin’ireto olon-dratsy ireto ihany no azo tamin’izany.
# Sahavato, Nosy Varika. Dahalo handeha hotsaraina no matin’ny fokonolona. Efa nambenan’ny fokonolona ity dahalo raindahiny antsoina hoe Dahalolava ity. Raha iny izy nentin’ny zandary avy ao amin’ny borigady Nosy Varika handeha hotsaraina ao Mananjary iny no niharan’ny hatezeram-bahoaka ka matin’ny fokonolona tamin’izany. Tsy afa-nanoatra ireo zandary roalahy niambina azy noho ny hamaron’ny fokonolona. Tranga niseho ny talata lasa teo.
# Port Bergé. Zandary namono kartie mobily. Maty niharan’ny vono nahazo azy ny kartie mobily iray tany Port Bergé. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa zandary no voarohirohy amin’ity famonoana ity. Nisy olona iray voasambotra ary nasaina nambenan’ilay kartie mobily. Tafatsoaka anefa io olona io. Tezitra tamin’izany ilay mpitandro filaminana ka izany no nahatonga ny daroka.
Nangonin’i m.L/r.s.