- Publicité SW45 -
dimanche, juin 23, 2024
- Publicité -

Tapatapany

# Analavory. Lehilahy maty an-drano. Ny asabotsy lasa teo tokony ho tamin’ny 12ora atoandro no niseho ny loza. Lehilahy iray mpamboly, no voalaza fa nisasa teo ambonina barazy iray tao Manerinerina, fokontany Mandrevo, Kaominina Analavory. Latsaka tao amin’ny reniranon’i Sahora ity lehilahy 34 taona ity ary tsy voavonjy ka indrisy fa namoy ny ainy sempotry ny rano. Nomena ny fianakavina avy hatrany ny razana rehefa avy nanaovan’ny mpitsabo sy ny zandary fizahana.

#Anjozorobe. Lehilahy maty latsaka tanaty hantsana. Tsy fantatra mazava izay nahazo ity lehilahy iray, tao an-tampon-tananan’Anjozorobe tao. Raha ny filazan’ireo nanatri-maso dia toa hoe mamo ity rangahy ity ka tsy natana ny tenany intsony ary dia latsaka tany anaty hantsana lalim-be. Maty tsy tra-drano vokatry ny fianjerana ity lehilahy ity.

Nangonin’i m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser