#-Tsaratanana. Rangahy maty vohitsaky ny kamiô. Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina tany Tsaratanana ny zoma hariva lasa teo. Lehilahy iray 50 taona no maty nohitsahin’ny kamiô teo amin’ny lohany. Araka ny fantatra dia efa voadonan’ny fiara tsy fantatra izy talohan’io ary niakarapoka teo amin’ny arabe. Tsy nahita izany kosa ity kamiô nandalo ity ka nanitsaka azy, izay nitarika izao fahafatesany izao. Efa nomena ny fianakaviana ny razana, rehefa avy nozahan’ny mpitsabo.
#- Manandriana. Tovolahy nahatratrarana basy vita gasy. Nahatazana ny fihetsika hafahafa nataon’ireto mpiandry omby roalahy, ireo fokonolona mpiandry tanana tao Andohanimandriana ka nangataka ny hisava azy ireo. Nitsoaka avy hatrany ilay namany, noraisim-potsiny teo kosa ilay tovolahy, ny sabotsy lasa teo. Tratra tany aminy ny basy vita gasy iray. Fantatra fa avy nangalatra omby ireto olona ireto taorian’ny fanadihadiana natao azy. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha.
#- Alasora. Tsy manaja bokin’andraikitra ireo taxibe. Mitaraina ireo mponina eny amin’iny faritra Alasora iny ny amin’ny afitsok’ireo taxibe miasa eny an-toerana. Mody aloha loatra mantsy ireo fiara ireo ka amin’ny 6ora sy sasany hariva dia tsy misy taxibe miakatra intsony. Miraviravy tanana araka izany ireo mpandeha sasa-miandry handeha hody any amin’iny faritra iny. Indrindra fa ireo mpianatra, taraiky aty an-drenivohitra.
Nangonin’i m.L