# Itaosy. Mpanendaka telo nalefa any am-ponja. Mpanendaka telolahy, isan’ireo mampikolay ny olona eny amin’iny faritra Ambohidrapeto sy Avaratsena iny no saron’ny mpitandro filaminana ny herinandro lasa teo. Raha ny fantatra dia ny fisafoana ataon’izy ireo isan-kariva no nahafahana nisambotra ireo olon-dratsy, tamin’ny fahatratrana zavatra tsy azy tany aminy. Nalefa eny Antanimora avy hatrany ireo mpanendaka ireto.
# Sainte Marie. Lehilahy namono vady, matin’ny fitsaram-bahoaka. Fotoana ela ihany izay no nisian’ny famonoana olona mahatsiravina tany Ste Marie. Lehilahy iray no nahavita nanatrobaka ny kibon’ny vadiny bevohoka. Nanomboka hatreo dia niafina ity lehilahy nahavanon-doza ity. Ny talata teo anefa no hitan’ny olona ny toerana niafenany ary dia niharan’ny fahatezeran’ny olona ity lehilahy mpamono vady ity. Efa maty noho ny vono nahazo azy kosa ity lehilahy ity vao tonga ny mpitandro filaminana, raha ny loharanom-baovao hatrany.
Nangonin’i m.L