- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025

Tapatapany

# Vakinankaratra. Mitaraina ny olona amin’ny asan-dahalo. Manaitra ny sain’ny tompon’andraikitra, ny fokonolona any amin’iny faritra iny amin’ny afitsoky ny dahalo. Mangataka ny fametrahana « poste avancé » ny zandary izy ireo any amin’ireo faritra mena. Nisehoana fanafihana misesisesy tamin’iny faritra iny, ny herinandro teo. Ny loharanom-baovao ihany koa nahafantarana fa, misy ny sasantsany amin’ireo mpitsabo tsy mety hitsabo ireo olona maratran’ny dahalo.

#Renivohitra. Mody milaza ho mpanakalo, nefa mangalatra. Miova paika indray ireo mpanao hala-botry amin’izao fotoana izao. Na dia tsy misy mampandroso aza dia efa tsy tratra fa misolantsolana sy tafiditra ao an-trano ny sasantsany amin’ireo milaza ho mpanakalo. Teny amin’iny faritra Andrefan’Ambohijanahary iny, najifa ny entana tao amina tokantrano iray. Mila mailo foana araka izany.

#Ambohibao. Bandy dimy lahy nandroba mpivarotra. Ny talata  teo teny Ambohibao Antehiroka, jiolahy  dimy mirongo fitaovam-piadiana no nanafika mpivarotra iray. Lasa tamin’izany ny vola sy entana maromaro, raha ny loharanom-baovao hatrany.

#67Ha. Mitabataba loatra ny taksibe, mitaraina ireo mponina. Vao maraim-be, manodidina ny amin’ny 2ora maraina any ho any dia efa mitabataba miantso mpandeha ny taksibe sasantsany eny amin’iny faritra 67Ha iny. Mitaraina araka izany ireo mponina eny an-toerana, noho ny tabataba mafy ataon’izy ireo. Raha ny voalazan’ny iray tamin’izy ireo, dia saika nandraiki-narary mihitsy ny renim-pianakaviana iray, noho tsy fahampian’ny torimaso. Manaitra ny sain’ny tompon’andraikitra araka izany.

#Toamasina. Famakiana magazay, olona 25 voasambotra. Saron’ny mpitandro filaminana ny olona 25 voarohirohy tamina resaka fandrobana magazay fitoeran’entana tany Tanandava, Toamasina, omaly. Raha ny fantatra dia very tamin’izany ny siramamy 40 taonina, ary ny 2 taonina tamin’izany ihany tafaverina, raha ny loharanom-baovao. Natolotra ny Fampanoavana ireo voasambotra ireo. 

Nangonin’i m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser