# Ambohipo / Fanakorontana : roalahy voasambotra. Tsy fantatra mazava izay tena antondian’izy ireo. Lehilahy maromaro no tonga ary nanao avo vava tsotr’izao tao amin’ny birao fandatsaham-bato iray tetsy Ambohipo. Nilaza izy ireo fa mampifidy olona tsy manana karatra ny mpikambana ao amin’ilay birao. Tonga hatramin’ny fandrahonana sy ny fitondrana bokonozatra teo an-toerana. Voatery niantso ny mpitandro ny filaminana ny tompon’andraikitra tao amin’ilay birao ary teo dia raikitra ny fisamborana. Nentina tany amin’ny biraon’ny pôlisy ny roa tamin’ireo olona voarohirohy ho mpanakorontana.
# BY-Pass : Nivarotra toaka, olona roa nosamborina. Niezaka ny mpitandro filaminana tamin’ny fanarahamaso ireo toeram-pivarotana toaka. Hatrany amin’ny By-pass aza omaly dia mbola tongan’izy ireo ary nosavaina mihitsy ireo toerana sao mivarotra zavapisotro. Fivarotana roa no sarona ary nentin’ny mpitandro filaminana any amin’ny biraony. Nanomboka avy hatrany ny fihainoana azy ireo raha araka ny vaovao azonay. Na izany aza mbola maro ihany ny sahy nivarotra tany amin’ny toeran-kafa, saingy mody afenina be amin’ny “rideau” ireo zavapisotro…
# Besarety : Raikitra ny sakoroka. Samy teo avokoa na ny olon-tsotra mba liana ny hanaramaso ny voka-pifidianana, ny olon-dratsy mpanararaotra ary koa ny mpanakorontana. Vokany, raikitra ny sakoroka rehefa tsy hita ny PV an’ny biraom-pifidianana iray. Nisy ny naratra ary voatery niditra an-tsehatra ny mpitandro ny filaminana, izay nisambotra ireo voarohirohy ho mpanakorontana.
# Andravoahangy ambony : Mpisandoka nosamborina. Tsy misy « badge » manamarina fa mpikambana ao anatin’ny biraom-pifidianana izy. Tsy fantatry ny olona akory aza ,nefa nibaikobaiko be teo amin’ilay toerana. Tezitra ny olona ka saika hikasi-tànana. Niditra an-tsehatra indray koa ny mpitandro ny filaminana ary nentin’izy ireo teny amin’ny biraony ilay olona, izay voarohirohy ho mpisandoka andraikitra.
Nangonin’I D.R
# Ankorondrano. Nisy mpifidy nandrovitra karatra. Noho ny tsy fahafaliany, maro tamin’ireo mpifidy tonga taorian’ny tamin’ny 5 ora no nitabataba, satria tsy afaka niditra ny birao fandatsaham-bato intsony ry zareo. Ho fanehoana izany hatezerana izany, nisy ny nandrovitra ny kara-pifidianany.
# Ambohijatovo. Olona iray nosamborina. Omaly, tamin’ny fotoanan’ny fandatsaham-bato, nisy olona iray nentina tany amin’ny biraon’ny polisy Ambohijatovo. Voalaza izy io fa mbola nanao fampielezankevitra ihany na dia ny andron’ny fifidianana aza.
# Midongy Atsimo. Nopotehan’ny malaso ny vata fandatsaham-bato. Kaominina enina tany amin’ny disitirikan’i Midongy Atsimo no fantatra fa notafihan’ny dahalo efa andro maro izao. Anisan’ny lasibatr’ireo olon-dratsy ny biraom-pifidianana. Tao amin’ny toerana iray, nopotehan’ireo olon-dratsy ny vata fandatsaham-bato sy ny taratasim-pifidianana. Voalaza moa fa maherin’ny 180 ireo malaso nanafika tamin’izany.
nangonin’I r.s.