lundi, avril 21, 2025
AccueilFaits-DiversTaranja lomano test de classement : Laharana voalohany sy faharoa i Tendry sy...

Taranja lomano test de classement : Laharana voalohany sy faharoa i Tendry sy Ony avy amin’ny club Corsa Antsirabe

Tontosa tao amin’ny piscine Olympique CJST Toamasina ny faha 19 ka hatramn’ny faha 22 Aprily lasa teo ny lalao hiadiana izay ho tompondakan’ny Madagasikara eo amin’ny taranja lomano. Notanterahina nandritra io fotoana io ihany koa ny Test de Classement izay hemetrahana ny telo voalohany.  Isan’ny nandray anjara tamin’izany fifaninana izany ny club Corsa avy eto Antsirabe ka sokajy Open no nisy azy ireo. Tsy zoviana amin’ny maro  eo amin’ity sehatry ny lomano  i Idealy Diaritina fantatra amin’ny anarana hoe Tendry izay voasokahy voalohany teo amin’ny test de Classement tamin’ny lalao 50m-100m-200m dos, araky ny fanazavana dia isa no natambatra tamin’ireo fifaninana nandraisany anjara ireo ka izy no nahazo isa ambony indrindra.

Nitana ny laharana faharoa I Mbola Soa na Ony avy amin’ny Club Corsa Antsirabe hatrany. Fandresena miezinezina noho izany no azon’ny Club Corsa tamin’ny Test de Classement ity. Isan’ny fanoman-tena hiatrehana ny lalao manaraka hiadiana ny tompondakan’ny Madagasikara hatao any Mahajanga izao lalao izao ary indrindra fanomanan-tena amin’ny lalaon’ny Nosy hatao eto Madasikara amin’ny taona ho avy hoy ny mpanazatra ny Club Corsa Jean Jacques Rakotonomenjanahary.

Andry N. 

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici