Mora amin’ireo mpanao ratsy tokoa ny manamboatra taratasim-panjakana hosoka. Manamboatra fitombo-kase eny amin’ny sisin-dalana eny izy ireo, mangala-tsonia dia vita ny tantara. Raha ity tranga iray tamina Firaisana iray teto an-drenivohitra ity dia teny amin’ny totohobaton’Antaninarenina ireo olon-dratsy no nanamboatra ilay fitombo-kase sandoka. Soa ihany anefa fa mailo ireo « agent verificateur » tao amina Firaisana iray teto an-drenivohitra ka noraisim-potsiny, ity lehilahy iray saika hisoloky amin’ny fanaovana taratasy fifampivarotana hosoka. Samy hafa lavitra tamin’ireo tena izy tokoa mantsy, na ny fitomboka na ny sonian’ny tompon’andraikitra tamin’izany. Notazomina ary natolotra avy hatrany ny polisy ity lehilahy ity. Ny herinandro lasa teo moa ity farany no nentina natao famotorana teny amin’ny polisy ekonomika miady amin’ny hosoka sy ny fampiasana hosoka. Nirosoana amin’izany ny fisamborana ireto farany ka fantatra fa tafakatra olona efatra no nosamborina. « Olona iray nikasa ny hikarakara taratasy fifampivarotana fiara tao amin’ny Faritany Ambohidahy no sendra ity lehilahy voalaza ity. Nilaza izy tamin’izay fa afaka manafaingana ny fikarakarana izany antotan-taratasy izany »raha araka ny polisy. Ny zoma lasa teo izy ireo no natolotra ny Fampanoavana ka telo tamin’izy ireo no « MD », raha nahazo LP kosa ny iray.
m.L