Tsy kely lalana mihitsy ny ratsy. Tambazotra mpanao taratasy ara-panjakana momba ny fiara anankiroa no ravan’ny Foibe fitsaràna fiara etsy Alarobia, niaraka tamin’ny « direction de police judiciaire »n’ny zandary avy ao amin’ny Toby Ratsimandrava, ny herinandro lasa teo. Miisa olona valo izy ireo raha ny fitambarany, ka ny dimy dia nanao taratasy hosoka momba ny « attestation de non affectation de vehicules au transport à titre onéreux », ary ny telo kosa dia mpanamboatra sy mpanome taratasy hosoka amin’ny «visite technique parallèle ».
Amin’izao fotoana izao dia misy ny ezaka manokana ataon’ny eo anivon’ny Foibe fitsaràna fiarakodia (DGSR) amin’ny fanadiovana sy fialàna tanteraka amin’ny kolikoly. Porofon’izany hoy ny fanazavàna azo ny « fahamaroan’ireo mpanjifa mitondra ny fiarany mba hotsirihana maneraka ireo ivontoerana rehetra manerana ny Nosy ». Mahita hirika foana anefa ireo mpanao ratsy ary mahita hevitra mandrakariva. Nisy araka izany ny fidinana ifotony natao tampoka ka tamin’izany no nahasarona ireo tambajotra mpanao hosoka ireo. Taratasy hosoka tsy fandoavan-ketra ny iray tratra tany amin’izy ireo, izay « raha ny tena marina dia ireo « sampandraharahan’ny hetra » no tompon’andraikitra ary taratasy hosoka fanamarinana fitsirahana ara-teknika kosa ny iray. Ambonin’izany moa dia mbola nahatratrarana antotan-taratasy maromaro hosoka ihany tany an-tranon’izy ireo, ary fitaovana maromaro fanaovana izany ihany koa. « Marihina fa niteraka fatiantoka eo amin’ny fampidiram-bola ho an’ny fanjakana sy ny foibe fitsaràna fiarakodia ny toe-javatra toy izao. Mampitandrina ary manentana ireo olona mbola zatra ny lalan-dririnina ny eo anivon’ny DGSR fa tsy handefitra mihitsy amin’ny tsy fanarahan-dalàna toy izao. Vonona kosa anefa fa hanome kalitao tsara indrindra ho antsika mpanjifa manao ny fitsirihana. Manentana antsika mpanjifa rehetra ihany koa ny eo anivon’ny Foibe fitsarana fiarakodia mba tsy hisalasala ny hanambara amin’ny tompon’andraikitra avy hatrany raha vao mahita na mahare tranga mampiahiahy mandritra ny fanatontosana ny asa eny amin’ireo ivontoerana fitsarana fiarakodia manerana ny Nosy », hoy ny fanazavàna azo.
m.L