- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversTaratasy hosoka amin’ny fiara : Hotsirihana manokana ireo « occasion » mitondra...

Taratasy hosoka amin’ny fiara : Hotsirihana manokana ireo « occasion » mitondra ny laharana « WWT »

Nandritra ity fihibohana ity mantsy, tamin’ny fotoana tsy nisokafan’ny CIM, dia nanararaotra ary tsy matahotra miseho masoandro intsony amin’ny alalan’ny « publication » anaty tambajotra sosialy ireo mpanao hosoka amin’ny taratasin’ny fiara.

Sahin’izy ireo ny mivarotra ireo antontan-taratasin’ny fiara hosoka amin’ny vidiny mihoapampana, izay ambaran’izy ireo fa ara-dalàna kanefa dia sonia sy fitombokase hosoka no ao anatiny. Mazàna dia tompom-piara « occasion », mitady laharana « WWT » no lasibatr’izy ireo. « Tiana ny manamarika sy mampahatsiahy an’ireo olona voarebirebin’izy ireo sy tia manatona azy ireny mihitsy fa ny mpividy hosoka dia naman’ny mpanao hosoka ihany ary azo enjehina tsara amin’ny lalàna. Mbola manentana ny rehetra izahay, mba hanara-dalàna ary hanatona anay fa tsy handeha amin’ireny», hoy ny fanazavàna nomen’ny Lehiben’ny CIM tetsy Ambohidahy, omaly. Araka izany dia fantatra fa hiroso tanteraka amin’ny fitsirihana ireny fiara ireny ireo tompon’andraikitra, raha ny fanazavàna azo hatrany. Marihana fa  ny laharana « WWT » dia na ireo mpivarotra fiara vaovao ara-dalàna ihany na ny avy eny anivon’ny CIM no afaka manome izany. Ambonin’izay dia misy fe-potoana ny fampiasàna azy fa tsy hoe maharitra akory.

Miroso tanteraka amin’ny fanatsaràna fa indrindra amin’ny fanadiovana amin’ny lafiny rehetra ny eo anivon’ny Ivontoerana misahana ny laharan’ny fiara, na ny « Centre Immatriculateur». Efa niaraha-nahita ny vokatra azo teo aloha teo : ny fanafoanana ireo mpanera, ary mbola niampy indray izany tamin’ny fahatratrarana ireo telo lahy, mpanao taratasim-piara hosoka, ny faran’ny herinandro teo. Raha ny mikasika ity farany dia nanambara hatrany  ny tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ity ivontoerana ity, izay marihana fa angady nanana, nahafahana nisamborana ireto tontakely ireto, fa tsy hijanona hatreo akory ny mahakasika iny raharaha iny. Mbola hisy, hoy izy, ny fanadihadiana lalindalina kokoa atao, izay mazava ho azy fa hiaraha-miasa amin’ireo mpitandro filaminana, handravana tanteraka ity tambajotra mpanao hosoka amin’ny fiara ity. Tranga izay isan’ny mandoto ihany koa ity sampan-draharaham-panjakana iray ity.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici