- Publicité -
dimanche, juin 1, 2025
AccueilFaits-DiversDorodosy : Taratasy mampihorohoro ny mponina

Dorodosy : Taratasy mampihorohoro ny mponina

Nihoron-koditra ny mponina sasany raha nandre sy nahita ny fisian’ny taratasy izay naparitaky ny olon-tsy fantatra. Mampiomana an’Imerimanjaka-Dorodosy izany fa hoavy hanafika tsy ho ela. Raha raisina amin’ny lojikan’ilay hafatra izany dia andian-jiolahy no ao ambadik’ity taratasy ity. Tsy notsinotsiniavin’ny olona ny fisian’izany satria tany an-toeran-kafa izay tsy tena mifanalavitra akory dia efa nisy tranga toa io. Nandefa hafatra ny jiolahy ary dia tena tonga nandroba isan-tokantrano tokoa. Tsy lavitra an’andrenivohitra ny tanànan’Imerimanjaka ary azo hatao tsara ny manampy ny fisafoana amin’ny alina ary koa manamafy ny fanangonam-baovao mba hahitàna ny tena niavian’ilay hafatra manakorotan-tsaina ny olona.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici