Efa tamin’ny volana martsa no nivoaka ny didy famonjana azy. Vao voasambotra izany i Marc Tatandraza dia nampiharina avy hatrany izany. Izay no antony tsy nitazonana ela azy tamin’ny fanadihadiana, satria nentina avy hatrany avy any Mahajanga izy ary nijanona kely teto An-drenivohitra ny faran’ny herinandro. Ny alatsinainy, vao tonga tao Ambovombe avy hatrany dia naterina teny amin’ny fonja. Heverina arak’izany, fa midoboka ao aloha izy ary halaina mivezivezy eny amin’ny biraon’ny zandary any aoriana any mba hanaovana fanadihadiana ny tenany. Efa namoahana taratasy fikarohana i Marc Tatandraza hatramin’ny faran’ny taon-dasa teo. Folo volana taty aoriana, dia mbola sahy ny nanatona haino aman-jery ihany mba haneho ny heviny. Noraisim-potsiny teo am-pivoahana an’izany izy, ny asabotsy hariva teo, tao Mahajanga. Tapitra hatreo izany ny fandranitana sy ny rediredin’i Tatandraza izay nahatohina olona maro tamin’ny tambajotra sosialy, fitaovana izay tena fampiasany amin’ny fanehoan-kevitra.
D.R