Nandeha be ny feo teto Toamasina, fa efa navotsotra ireo teratany Sinoa namoahan’ny fitsarana famonjana vonjimaika teto Toamasina, ny 6 febroary teo, noho ilay raharaha sambo “Flying” izay voarohirohy saika haka an-tsokosoko andramena tao amin’ny faritr’Antalaha sy Maroantsetra ny volana janoary teo. Nandiso izany ny talen’ny fandraharahana ny fonja eto Toamasina, Atoa Napou Jeremie, fa mbola ao Ambalatavoahangy miandry ny fitsarana azy avokoa ireo tatsambo 15 mirahalahy voarohirohy tamin’izany, afa-tsy ireo roa izay nangataka fitsaboana manokana tao Antananarivo fon’izy ireo mbola tany amin’ny hopitalin’Antalaha noho ny ratrany tamin’ny fisamborana azy ireo tany amin’ny fari-dranomasina Antalaha sy Masoala, izay tsy hita hatreto. Marina hoy ny Atoa Napou Jeremie, fa tena maditra ary tena manao loha na “jiolahin-tsambo” ireto Sinoa mifonja ao Ambalatavoahangy ireto, nefa eto amintsika tsy misy ny fonja ho an’ny Malagasy sy ny fonja ho an’ny Sinoa, na fonja ho an’ireo tera-tany vahiny hafa, fa fonja iray ho an’ny rehetra no misy; ka misy izao ny fepetra manokana noraisin’ny fandraharahana ny fonja Toamasina amin’ny fanaraha-maso sy fisahanana manokana ireto Sinoa ireto noho izany. Ankoatra izany araka ny vaovao nangonina, dia izany vehivavy mpandraharaha malaza be avy ao Antalaha izany no nanafatra ity sambo “Flying” ity ho tonga teto amintsika, saika hanaovana izao trafika na andramena izao, satria nikasa nanararaotra ny fisaritahana nitranga nandritra ny fifidianana farany teo ity mpandraharaha vehivavy ity sy ireo mpandraharaha hafa namany tamin’izany. Ho hita eo ny tohin’ny raharaha, satria raha ny fantatra dia mandeha tsara ny fanadihadiana ny raharaha izao.
Malala Didier