Mampiaiky volana ny mpandeha mihitsy, ny afitsok’ireo fiara mpitatitra ao amin’ny Zotra 015 mampitohy an’i Mandroseza sy 67ha iny amin’izao fotoana izao. Ity zotra ity izay ahitana ny kaoperativa Volavita. Toa mba nanara-dalàna sy nanome fahafaham-po ny mpanjfa ihany teo aloha ity kaoperativa, indrindra moa fa izy irery no mba nanao iny lalàna iny . Tsy izany anefa no mitranga ankehitriny, fa betsaka amin’izy ireo no mihodina an-dalàna. Tsy tonga any amin’ny 67ha intsony fa miverina rehefa tonga eo Andavamamba. Amin’izay indray, ny resevera mihitsy no miteny amin’ny fomba feno avona fa tsy mandeha tsy maintsy miala eo Andavamamba ireo mpandeha. Ny sabotsy teo izao dia fiara telo be izao izay mitondra ny laharana 2147 TBD, 2279TBF, ary 2797TBG no hita nanao izany. Mety ho betsaka no nanao izany tamin’io andro io fa ireo aloha no tena azo porofoina satria vavolombelon’izany ny mpanao gazety. Nampahalahelo mihitsy ireo mpandeha izay niandry ireo fiara ireo teny amin’ny fiantsonana rehetra nolalovany teny ka nikasa ho any amin’ny 67 ha favoatery nandray taxi-be indroa vao tonga tany amin’ny halehany. Mipetraka ny fanontaniana hoe : ny kaoperativa Volavita tokoa ve no maniraka ireo mpamily sy ny mpanampy azy ireo hanao izao tsy fanarahan-dalàna izao. Tsy manaja ny bokin’andraikitra nekeny tamin’ny maha fitateram-bahoaka azy ireo fiara ireo. Nahoana no tsy miala ao anatin’io zotra io raha mahita izy ireo fa tsy ahitany tombontsoa ny miasa ao ? Ekena fa matoa mampiasa ny fiarany amin’ny fitaterana ny tompony dia mila tombom-barotra, saingy mba tokony hisy kosa ny fanajana ny mpanjifa. Izay raha amin’ny lalanan’ny varotra dia ny mpanjifa no tokony hohajaina voalohany. Tsy vitan’izay fihodinana an-dalana izay ihany, fa isan’ny mampimenomenona ny rehetra ihany koa ny fijanonan’ireo fiara ao amin’io zotra io aloha loatra amin’ny hariva.
T.M.