- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversTaxi-be 119 nipoaka : Olona telo main’ny rano mangotraka

Taxi-be 119 nipoaka : Olona telo main’ny rano mangotraka

Nisahotaka ny mpandeha tao anatina taxi-be iray teny Antsahabe omaly antoandro. Nipoaka teny am-pandehanana mantsy  ny « radiateur » ana fiara fitateram-bahoaka mampitohy an’ny 67 ha sy Ankatso  teo amin’ny manodidina ny mitatao vovonana. Vokany, olona telo no naratra mafy tamin’izany : mpandeha roa sy ny mpamilin’ilay fiara ; izy ireo izay samy main’ny rano mangotraka avokoa. Ny tongotra no nitsovaka ny an’ilay mpamily teto. Ny iray tamin’ireo mpandeha dia may teo amin’ny valahany, tongony ary fitombenany kosa. Ilay faharoa dia nitsovaka teo no eo ny kibony. Rehefa hiakatra an’Ambohijatovo iny dia efa nahenoana tsy fahatomombanana ny fiara. Raha araka ny nambaran’ireo mpandeha tao anatiny dia nanohy ny diany hatrany teto ny mpamily fa tsy nisy fanahiana akory. Noho ny tonga teo Antsahabe anefa dia izao tratran’ny fipoahana izao.  Noetina  avy hatrany notsaboina tao amin’ny toeram-pitsaboana manakaiky ny toerana nitrangan’ny loza   moa ireo naratra. Maro amin’ireo fitateram-bahoaka mifamohivohy eto an-drenivohitra ankehitriny no manana olana ara-teknika ka atahorana hitera-doza. Mitaky ny fanaraham-penitra mifanaraka amin’ny vola takiana amin’izy ireo araka izany ireto mpandeha.

Kanto R. (Stagiaire)

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici