« Dalle, … Ampasika, …. Andranonahoatra e !! » Ohatra amin’ireo vazavaza malaza, tsy maraina, tsy antoandro, tsy alina, ataon’ireo « receveur »-na « bus », tsy amin’ireo toerana ireo ihany koa fa eny amin’izay mety ho toerana rehetra fiantsonan’ny « taxibe ». Ary raha tsy ampahatsiahivina tokoa ary ve tsy hangina ? Satria mba misy ny toerana, misy ny fotoana tokony mba hanajana izay fahanginana izay. Isan’izany ny etsy Antanimena, izay misy ny foibem-panadinana. Sekoly izay voahodidina tobim-piantsonana. Na dia eo aza ny fampahatsiahivina ho an’ireo taxi-be anefa dia mbola misy ihany ireo mpihoa-pefy. Dia tenenina foana fa eeeee …
m.L