- Publicité -
mercredi, mai 21, 2025
AccueilFaits-DiversTaxi-be: Mpamily mitondra basy mandroba mpandeha

Taxi-be: Mpamily mitondra basy mandroba mpandeha

Efa vitsivitsy sisa ny tao anaty taxi-be, satria efa harivariva ary isan’ny zotra farany nandeha io fiara nitrangan’ny fandrobana io. Saingy fandrobana hafakely, satria ny mpamily ihany no jiolahy. Ny zoma alina teo no nitrangan’izany tetsy Ivandry, tsy lavitra loatra ny Pullman. “Nisy niantso tsy an-kijanona ilay saofera ary manome ny anaran-tanàna hatrany izy amin’izany. Teo dia efa nanomboka mailomailo aho ary niresaka tamin’ilay mpandeha teo akaikiko” raha araka ny fitantaran’ny mpandeha iray. Inona tokoa, fa nony tonga teo amin’ny Pullman, dia tena nitombina ny eritreritra : namoaka basy ilay mpamily! Ireo mpandeha roa, mailo avy hatrany dia nisaoty tao anaty fiara ka nitsoaka. Samy naratra izy roa, saingy tsy nahoany izany satria ny manavotra aina aloha no tanjona. Tsy fantatra kosa izay nanjo ireo mpandeha ambiny izay tafajanona tao anaty fiara. Nandeha avy hatrany ireo mpandeha roa mba hitsaboana ny ratra nanjo azy ireo. Voamarik’izy ireo ny laharan’ilay taxi-be 194 izay mitondra ny 64.. TBB. Inoan’izy ireo fa handray andraikitra avy hatrany ny pôlisy miadidy iny boriborintany iny, ka hanokatra fanadihadiana. Efa tena ambana (menace) lehibe ho an’ny mpanjifa mantsy ny zava-mitranga ary tsy azo ekena raha mbola tan-dalàna koa ny firenena…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser