- Publicité -
vendredi, mai 30, 2025
AccueilFaits-DiversTaxi-be nisy nangalatra : Hita tany Antsirabe

Taxi-be nisy nangalatra : Hita tany Antsirabe

Teo amin’ny tokotanina tranombarotra iray efa tsy mihodina intsony, tao an-drenivohitr’i Vakinankaratra tao no hita ilay fiara Sprinter, taxibe nisy nangalatra ny zoma lasa teo, teny amin’ny 67ha Atsimo. Araka ny fantatra dia nofain’olona ho any Antsirabe ity fiara ity ary niala teto an-drenivohitra vao maraim-be, tokony ho tamin’ny 5ora tany ho any. Tovolahy 11 teo ho eo no niditra tao anatin’ity fiara ity, izay tsy nampoizina mihitsy ho jiolahy. Ny firesany tamin’ny mpamily sy ny mpanampy azy dia hoe maika hamonjy raharaha any Antsirabe izy ireo. Tsy nisalasala avy hatrany koa ny mpamily, fa dia nandraikitra ny fifanarahana rehefa vita ny adi- varotra. Teny an-dalana anefa, tokony ho kilaometatra vitsivitsy tsy ahatongavana tany dia nilaza ny hivoaka kely ireo mpandeha ary nanajanona ny fiara. Tamin’izay indrindra no nitranga ny tsy nampoizina satria dia nanatona ny mpamily ny tovolahy iray, ary namoaka sy nanambana basy. Poa toa izay ihany koa dia efa voahodidina ilay mpanampy azy ary tao anatin’ny fotoana fohy dia efa nifatotra tongotra aman-tanana izy roalahy. Raha ny fanazavana azo hatrany dia vola teo amin’ny valo alina ariary teo no nalain’izy ireo tany amin’ny mpamily, niaraka tamin’ny fiara, rehefa navoakany sy natsipin’ireo olon-dratsy tany anaty ala ireto olona nifatotra ireto. Efa dify lavitra ireo olon-dratsy niaraka tamin’ny fiara, vao niezaka namaha ny fatorany ireo roalahy ka nampandre avy hatrany ny mpitandro filaminana. Ary ireo nahitam-bokany io fanadihadiana, satria dia hita tany Antsirabe ihany ilay fiara, efa tsy nisy olona intsony tao anatiny. Nihanahazo vahana indray tato ho ato ny fisiana halatra fiara. Raha tsy hiteny fotsiny ny nahazo ilay fiara nofain’i Airmad, nisy nangalatra tetsy Ankazomanga ary hita tany Talata Volonondry. Eo ihany koa ilay taxibe Sprinter, nisy naka tao amin’ny garazy nitoerany tetsy Analamahitsy.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser