- Publicité -
vendredi, novembre 21, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTaxi-be nitokona : Nisy nigafy izay fiara mbola niasa

Taxi-be nitokona : Nisy nigafy izay fiara mbola niasa

Tao ny voatoraka, tao koa ny novakiana kodiarana ary tao ny noterana nidina ny mpandeha. Izay no nahazo ireo fiara fitateram-bahoaka mbola ninia niasa omaly teto an-drenivohitra. Toy izay nitranga tetsy 67ha, nosakanan’ny olona maromaro ny taxi-be iray ary nasaina nidina avy hatrany ny mpandeha tao anatiny. Teo amin’ny fiantsonana antsoina hoe « garage » no nitranga izany ny antoandron’ny omaly. Tsy izay ihany ny zava-niseho fa tetsy Ampasampito koa dia tonga hatramin’ny fitorahana ilay fiara fitaterana. Natahotra mafy ny olona satria niakatra ny feo ary nisy andian’olona nivazavaza ary toa ireny hikasi-tànana sy hanao herisetra ireny. Samy nanavotra ny ainy nivoaka faran’izay haingana ary niala teo an-toerana ny olona tao anatin’ny fiara. Indrindra koa raha nahita fa nisy nitora-bato ilay taxi-be. Teo Ampefiloha indray dia fiara iray zotra 119 no nisy nanakana ary toy ny nanjo ireo fiara roa hafa dia noterena nivoaka koa ireo olona. Tsy nijanona teo ny fihantsiana fa tonga hatramin’ny famakiana ny kodiaran’ilay mini-bus. Raha ny fantatra omaly dia zotra efatra dia ny 194, 163, 166 ary 119 no mbola niasa, ny sasantsasany, nandritra ny tapak’andro maraina. Rehefa nitranga ny herisetra dia teo amin’izay no nanapa-kevitra nijanona ny ankamaroany. Ny tsikaritra dia toa efa nisy andian’olona niandry izay niasa fotsiny ary nipetrapetraka teny amin’ny fiantsonana izay fantatr’izy ireo fa tsy maintsy handalovan’izay mbola minia miasa. Etsy andanin’izay, hita fa feno mpandeha an-tongotra ny renivohitra omaly. Tao ny voatery noho ny tsy fisian’ny taxi-be ary tao kosa ireo nandray an’izany ho fotoana iray mba hanatanjahana ny tena. Ireo mpiasa izay mody lavitra no tena hita ho sahirana kanefa vokatry ny zava-misy dia tsy maintsy. Betsaka koa ireo izay nihevitra fa hihena ny fifamoivoizan’ny fiarakodia omaly rehefa tsy niasa ny taxi-be. Saingy ny nifanohitra tanteraka tamin’izany no nitranga. Sempotra tanteraka ny renivohitra rehefa namoaka ny fiarany avokoa izay sendra mba nanana izany.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici