- Publicité -
jeudi, septembre 18, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimanandray : Taxi-be nitrongy tranon’olona

Ambohimanandray : Taxi-be nitrongy tranon’olona

Toy izao no niafan’ilay fiara

Rava ny trano, potika ny fananana, … soa ihany tsy nisy aina nafoy ! Omaly tolakandro, fiara fitanteram-bahoaka iray, mampitohy an’Analakely sy Ambodihady no niharan-doza, tetsy Ambohimanandray. Raha ny angom-baovao azo, dia tsy voatan’ny mpamily intsony ity fiara ity, raha iny nidina ny lalan’Ambohinandray iny. Rehefa avy nifaoka fiara iray nifanena taminy, kodiaran-droa teo alohany, dia namarany ny lalany, nifatratra teny amin’ny trano iray teo ankavian-dalany. Mbola am-perinasa tsara io fiara io, raha ny filazan’ireo teny an-toerana. Izany hoe nitondra mpandeha, saingy tsy dia nisy naninona izy ireo. Raha ny voalazan’ireo nanatri-maso hatrany dia azo heverina fa nanana olana ara-teknika ity fiara Mercedes-Benz 307. Angamba hoy izy ireo niezaka ny nanajona ilay fiara mpamily ary ity tranon’olona ity no hevitra hitany farany. Na izany na tsy izany aza, maro tamin’ireo teny an-toerana no nilaza fa somary nisetrasetra sy nandeha mafy loatra ilay fiara. Efa teny an-toerana nijery ny zava-misy moa ny mpitandro filaminana, izay nanokatra ny fanadihadiana rahateo.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici