- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversTaxi-be : Resevera mikitika tovovavy mpandeha

Taxi-be : Resevera mikitika tovovavy mpandeha

Betsaka ny fitarainana ankehitriny saingy mbola hatreo amin’ny tambajotra sosialy ihany aloha hatreto no maneho ny alahelony ireo tanora. Ny adolantsento no tena lasibatra matetika amin’ny fanararaotana izay ataon’ny resevera sasany amin’ireny taxi-be ireny. Toa izay nanjo an’i R.F raha handeha hamonjy fodiana eny avaradrano ka nandeha fiara fitateram-bahoaka. « Nopotserin’ilay resevera ny nono. Niezaka niteny sy namaly saingy nihomehezany fotsiny. Ny olona sasany toa mainka naneso fotsiny ary nilaza fa aleo izy mba hikitika e », raha araka ny fitarainany izay nozarainy tamin’ny mpanaraka ny kaontiny. Vao nozarainy izany dia marobe ny tovovavy izay nivoaka tamin’ny fahanginany ary nilaza fa efa niharan’ny toa izany koa saingy tsy afa-nanoatra. Ny antony dia ny olona toa tsy mivaky loha ilay olona hany ka vao mainka mampahazo vahana ireo resevera. Tsy ireo farany ihany aza fa misy koa ny mpandeha sasany no manararaotra. Tsy nisalasala mihitsy ireo tovovavy ny nanazava fa tsy mandry saina intsony amin’ny fivezivezena amin’ny fiara fitateram-bahoaka. Nisy iray nijoro vavolombelona aza fa mba nanatona mpitandro ny filaminana ary nanazava fa mbola eso sy fihomehezana fotsiny ny valiny. Ankehitriny izy ireo dia manao antso avo amin’ny koperativa isan-karazany mba hamehy ny olony ka hanajanona ny fihetsika mamohafady izay misy ny lalàna mifandraika amin’izany ary mampigadra. Mbola endriky iray amin’ny fitotongan’ny fiarahamonina koa ny toy izao.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici