- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversTaxi-brousse : Nisy mpandeha maty voatifitra indray

Taxi-brousse : Nisy mpandeha maty voatifitra indray

Amin’ny andro antoandrobe no nirefotra ny basy. Tifitra variraraka no natao tamin’ny fiara mpitatitra iray; izay hihazo an’i Betroka raha avy eo Ihosy. Vao niala 25 kilaometatra, dia efa ny dahalo mpanakan-dàlana no nitsena ilay fiara. Mpandeha iray no maty tsy tra-drano teo ary ny hafa maromaro kosa mbola miady amin’ny fahafatesana, tsaboina eny amin’ny hopitaly. Ny anton’izany dia mba handrobana ny vola sy ny fananan’ny olona izay nampiasa ilay fiara fitateram-bahoaka. Mampihorohoro fatratra ankehitriny ny fivezivezena eto amin’ny tanindrazana ka mampiasa lalam-pirenena. Voalohany, dia matetika loatra ny lozam-pifamoivoizana ateraky ny taxi-brousse noho ny tsy fahafehezan’ny mpamily sasany ny familiana. Tsy izany ihany anefa, fa mbola mirongatra koa ny fanafihana eny amin’ny lalam-pirenena ary raha jerena amin’ny zava-nitranga, dia tena tsy mitsitsy ireo jiolahy mpanakan-dàlana. Samy nahita faisana avokoa na: ny RN7, ny RN4, ny RN9 ary izao koa izany dia ny RN13. Mitebiteby ny olona, indrindra amin’izao vanim-potoana fialan-tsasatra izao ka mba te hihazo ny faritra hafa. Miezaka ihany ny mpitandro ny filaminana amin’ny fanasiana ny olony ao anatin’ny fiara sasantsasany, arak’izay tratry ny isa. Saingy tsy mahalefy loatra ny dahalo mpanakan-dàlana izany. Eo ihany koa ny fepetra noraisina, dia ny fanaovana « caravane » rehefa mandeha lalam-pirenena. Toy ireny indray koa aza no tena manintona ny jiolahy indraindray satria mety ho maromaro no indray voarobany ao anatin’ny indray mitoraka. Tebiteby isan’andro no iainana, nefa tsy maintsy mivezivezy ny olona noho ny asa fitadiavana. Mila jerena akaiky…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici