Niala teto an-drenivohitra ary haterina eny amin’ny Bypass no nifanarahana. Tsy nisy olana hatreo ary dia nandeha toy ny mpanjifa rehetra ilay lehilahy. Rehefa teny an-dàlana ka nanakaiky ho tonga dia nanomboka nivadika ny resaka, nilaza fa haterina eny Ankadievo indray ny mpandeha ary vonona hanampy vola. Koa satria moa hitady no nivoahan’ilay mpanamory taxi-moto ny trano, tsy nisalasala izy ny nanaiky izany fanampin’asa izany. Kinanjo efa nisy vela-pandrika maty paika tao ambadik’izay. Nony tonga teo Ankadievo dia vao niala ny moto ny mpandeha izay efa jiolahy ihany koa izany, nisy lehilahy iray nanambana basy avy hatrany ny mpitondra ilay taxi-moto. Teo dia efa raikitra ny sakoroka satria tsy nanaiky mora foana ny lehilahy. Ilay mpandeha izay niafina ho jiolahy koa dia namoaka antsy avy hatrany ary nampiasa izany tsy am-pisalasalàna. Ilay nanambana basy mba voafehiny fa ilay tsatok’antsy kosa nisesy. Tsy afaka nizara roa ilay lehilahy ary tena naratra mafy. Amin’ny andro antoandro no niseho izany rehetra izany ary nijery fotsiny ny olona tamin’ny voalohany. Rehefa hitan’ireo fa nanohitra ilay voaendaka izay vao nanomboka nitabataba. Avotra ny moto, tsy nisy very ny entana. Saingy naratra mafy kosa ny tompon’ny moto. Ny mpitandro ny filaminana teo amin’ny manodidina, na nitarainany aza dia tsy nanampy. Niady irery izy nankany amin’ny hopitaly ary noho ny fahaverezan-drà dia torana nony nigadona teny. Mba avotra soa aman-tsara ihany anefa ny ainy.
D.R


