- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversTaxibe maika hifanenjika : Mandratra mpandeha foana !

Taxibe maika hifanenjika : Mandratra mpandeha foana !

Manao ranolava ny fitarainan’ireo mpandeha amin’ny afitsok’ireo fiara mpitatitra olona eto an-drenivohitra, indrindra moa mahakasika ireo taxibe mifanenjika eny an-dalana, izay mazàna dia mandratra ireo mpandeha foana. Vao afakomaly tetsy Nanisàna, fiara ao amin’ny zotra 194 no nandratra renim-pianakaviana nitondra zaza. Nambaran’ity renim-pianakaviana fa tsy mbola tafala tsara izy, raha handeha hidina ny fiara iny no nirifatra nandeha ilay fiara, rehefa nosongan’ny fiara iray zotra aminy, teo amin’ny fiantsonana « pompy » Nanisana. Soa ihany, hoy ity mpandeha lasibatra ity fa tsy dia naninona izy na dia voakapoky ny varavaran’ilay fiara mafy aza ny lamosiny. Torak’izany ihany koa, tetsy Androhibe, vehivavy lehibe iray no saika nianjera, raha handeha hiakatra fiara mpitatitra miasa eny amin’iny faritra iny. Tsy mbola tafiditra tsara tao anaty taxibe ihany koa mantsy ity farany no nandeha tampoka izany fiara izany, rehefa nahita mpiray zotra aminy avy aoriana. Fitarainan’ny mpandeha iray, tao anaty tambajotra sosialy ihany koa nahafantarana izay fisetrasetran’ny taxibe izay, tetsy Anosivavaka ny voalohandohan’ny volana teo. Fiara ao amin’ny zotra 199 no voatonona teto. Mbola vehivavy ihany koa no lasibatra teto satria, raha ny fitantarany dia mbola tsy tafiditra tsara ny taxibe ihany koa ny tenany no nirifatra tampoka ity farany. Naratra teo amin’ny tongony moa ity farany, izay voalazany fa voataritarika sy nokikisan’ny arabe. Santionany ihany amin’ireo setrasetra sy tsy fanajàna mpandeha ataon’ireo taxibe sasantsany ireo voalaza ireo fa maro isan-karazany ny toe-java-misy izay tsy mitsahatra mampitaraina ny mpanjifa amin’ny ataon’ireo fiara mpitatitra olona. Tranga izay hanairana tanteraka ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy, satria dia mijaly ary toa tandindomin-doza isan’andro ireo mpanjifa. Tsiahivina fa amin’ity resaka fandratrana mpandeha ity dia efa nisy ireo mpamily sy mpanampin’ny mpamily no nosamborina sy nadoboka am-ponja noho izay tranga izay, raha tsy hiteny afa-tsy ilay tetsy Ambohibao, kanefa mbola manao ny ataony ireo hafa.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici