Ilay mpamily mpanampy no nitondra ny fiara fitateram-bahoaka. Taxi-be iray, zotra F izay mampitohy an’Anosy amin’Anjomakely no voakasiky ny raharaha. Nandona olona ary nahafaty io farany ilay fiara. Rehefa nandeha ny fanadihadiana dia fantatra fa ny mpampily mpanampy (resevera) no nitondra ilay fiara fitaterana tamin’io fotoana io. Tsy manana taratasy fahazoan-dalàna mitondra fiarakodia akory io resevera io. Tsy vitan’izay fa nitsoaka avy hatrany izy rehefa nitranga ny lozam-pifamoivoizana. Tsy hita rehefa nampanantsoina ary antony namoahan’ny mpitandro ny filaminana izay misahana ny fanadihadiana ny filazàna fikarohana azy. Ny polisy etsy Tsaralalàna mikirakira momba ny raharaha lozam-pifamoivoizana no miandraikitra ity raharaha ity saingy ny filazàna fikarohana kosa dia naparitaka manerana ny biraon’ny mpitandro ny filaminana ary koa amin’ny tambajotra sosialy. Malaza ho maditra mpanamory sy mpamily mpanampy ny zotra F. Ankoatra ny famingavingana ny mpandeha dia mbola misy koa ny sahy mitsoaka mpitandro ny filaminana rehefa voasakana. Efa maromaro tamin’ireo mpamily sy resevera no voasambotra noho izany antony izany, ary mbola io zotra io ihany.
D.R