- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTaxibe nandeha mafy : Nosamborina ny mpamily sy ny « receveur »

Taxibe nandeha mafy : Nosamborina ny mpamily sy ny « receveur »

Mazava ny voalazan’ny bokin’andraikitra mifehy ny fitandrahana zotra fitateram-bahoaka, indrindra fa ny eto an-drenivohitra sy ny manodidina azy, mahakasika ny hafainganam-pandehan’ny fiara mpitatitra, izay voafetra sy tsy tokony hihoatra ny 40 km isan’ora ! Mazàna anefa, maro amin’ireo mpamilin’ireo taxibe na manao zotra an-tanan-dehibe na zotra mivoaka ny tanan-dehibe no tsy manaja izany hafainganam-pandeha voafetra izany. Tranga nisy teny amin’iny vahalavan’Ampitatafika iny. Fiara taxibe iray manao zotra mihazo an’Anosy sy Alakamisy Fenoarivo no nampitaraina mpandeha sasantsany mahakasika ny fandehanana mafy. Nisy namoaka tao anaty tambazotra sosialy izany ary nandray andraikitra avy hatrany ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena teny an-toerana nikaroka ity fiara, tsy manara-dalàna ity. Nosamborina avy hatrany ny mpamily sy ny mpanampy azy ary nogiazana am-balam-pamonjana kosa ilay fiara. « Ho fitsinjovana ny ain’ireo mpandeha sy mba tsy hamerenan’izy ireo izany intsony dia tsy maintsy nampitandremana mafy izy roalahy ireto » araka ny fanazavana nomen’ny zandary.

Vitsy amin’ireo mpamily fiara mpitatitra  amin’izao tokoa mantsy no tonga saina fa tompon’andraikitra voalohany izy amin’ny ain’ireo olona marobe entiny ao anatin’ny fiara ny tenany ary manaraka azy ny mpanampiny. Etsy andanin’izay, manana andraikitra ihany koa ireo mpandeha ao anatiny amin’ny fiarovana ny ainy sy ny ain’ireo olona miaraka aminy. Zava-misy mantsy, ireo mpandeha indray no mandrisika sy mihantsy ny mpamily handeha mafy. Misy ihany koa ireo miseho azy ho iza na mahafantatra an’iza ao anaty fiara ao ka  manao tsinotsinona ny mpiray fiara sy ny mpitondra azy. Tranga vao tsy ela akory fa ny alahady hariva teo, andian’olona efa mamomamo no nikasin-tanana « receveur » sy nanimba ny fitaratry ny fiara, rehefa nasaina nidina fa efa feno ilay taxibe.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici