Vokatra ny tsy fanarahan-dalàna nataon’ireo mpamily « taxibe » amin’ny zotra D mampitohy an’i Vascoss sy Ivato (Tana-Ivato), dia fiara fitateram-bahoaka miisa 53 no voasazy. Raha ny vaovao voaray, dia fiara sy ny mpiasa 17 voasazy tsy mahazo miasa ao anatin’ny telo andro. Mpamily miisa 32 nosotomina ny taratasy fahazoana miasa na « licence », ary nahato tsy mahazo miasa mandritra ny folo andro ny fiara sy ny mpiasa. Saofera efatra kosa no voasitona tanteraka ny taratasy fahazahoan’ny mamily fiara. Angatahin’ny maro ihany koa ny tokony mba hijerena akaiky ny zotram-pitaterana 194, 163 izay mpitaraina tokoa ny maro amin’ny fanarihana an-dalana ny mpandeha.
Eric Manitrisa