Toa anatin’ny roa volana sy tapany, mpamily fiarakaretsaka miisa telo izay no maty nisy namono. Ny farany indrindra dia i Hery, amin’ny alina ihany izy no miasa ary eny amin’ny manodidina an’Ankorondrano no fiandrasany no toeram-piantsonany. Ny alahady maraina teo dia talanjona ny olona raha nahita ny taxi peugeot 205 izay nijanona fotsiny teo amin’ny lalana teritery. Teo akaiky teo ny fatin’ny mpitondra azy izay nihoson-drà tao anaty tatatra. Omaly dia fantatra ny momba azy sy ny anarany. Manan-janaka telo mianadahy i Hery ary mivelona tanteraka amin’ny familiana fiarakaretsaka. Nanazava ny fikambanan’ny mpamily taxi eto an-drenivohitra fa nisesy tato ho ato ny famonoana ny olona misehatra ao anatiny. Nanentana ny mpamily taxi arak’izany ny fikambanana mba ho mailo, indrindra ireo miasa amin’ny alina. Inona no tena ao ambadik’ity famonoana ity? Azo eritreretina mantsy fa tsy fandrobàna no nitranga satria tsy nisy na kely akory aza very teny amin’ilay olona hita faty. Tsy banga ny vola, ny taratasin’ny fiara koa hita teo. Torak’izany, ny fiara dia nipetraka tsara teo akaikiny. « Miantso ny mpitandro ny filaminana sy ny manam-pahefana mba hikaroka izay nahavanon-doza » hoy ny filohan’ny fikambanan’ny mpamily taxi, Clémence Raharinirina. Omaly no namangy ny mana-manjo ny fikambanana ary nitohy nifampizara izay mety ho fantatra mba hahitàna ny marina momba ity heloka bevava ity, indrindra koa izany fa misesisesy ho an’izy ireo. Raha tsiahivina koa dia vao ny volana lasa teo no nisy mpamily taxi voatifitra tetsy Ankadindratombo. Io indray dia nandritry ny fandrobàna toeram-pivarotana lehibe no notifirin’ireo mpanafika. Maty tsy tsa-drano. Rehefa nozohina dia olona eo amin’ny manodidina ihany ireo mpanafika ary mahafantatra ilay mpamily taxi izay sendra teo amin’ilay toeram-pivarotana – satria nitondra « client » tao – nandritry ny fanafihana. Notifirina tsy nisy antra teo amin’ny lohany. Voasambotry ny polisin’Alasora avokoa ireo nandray anjara tamin’ilay heloka bevava ary tsy izay fa mpiambina sy irakiraka eo amin’ny manodidina ilay toerana notafihana avokoa izy ireo. Mahaliana ny maro ankehitriny ny momba ny heloka bevava izay atao amin’ny mpamily taxi ary hitadiavan’ny mpanara-baovao fanazavana.
D.R