- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversTeknolojiana Finday sy Solosaina : Efa misy afaka manova ny « code IMEI »...

Teknolojiana Finday sy Solosaina : Efa misy afaka manova ny « code IMEI » ireo mpangalatra

Tena tsy tery lalana ny mpanao ratsy eto amintsika, efa misy mahay indray izao ny manova ny “code IMEI” amin’ireny finday ireny indray izao, ary tena foana mihitsy ilay orizinaly teo aminy, fa lasa miova ho marika miafina hafa mihitsy ilay finday. Mikasika izany indrindra no nisamborana ity tovolahy vao 22 taona ity teny amin’ny “4 chemins” Morarano ny zoma lasa teo. Raha ny fanazavan’ny komandin’ny borogadin’ny zandary Toamasina renivohitra, ny GPHC Raherison Sosthène sy ny komandin’ny kaompania, ny kapiteny Josephin Henistela, dia noho ny tsy mety fahitana araka ny “requisition” alaina amin’ny fitsarana, ary entina amin’ireo tambajotram-pifandraisana mifandraika amin’ny finday very no antony nahatonga ny fikarohana loharanom-baovao hafa, ka izao tonga amin’ny fahitana ity tovolahy ity izao. nisy ny angom-baovao voaray fa misy olona mahay manafina sy manova ireny “code IMEI” na finday sy tablette ary solosaina ireny. Nohamafisin’ny kapiteny hatrany fa aloha raha vao tonga eny anivon’ny tambajotram-pifandraisana ny “requisition” hikarohana finday na solosaina na tablette very, dia vetivety dia voafaritra ny toerana misy ny olona mampiasa azy. Raha ny fanazavan’ny voampanga kosa dia mahatratra 15 hatramin’ny 20 isan’andro ny olona mitondra finday aminy hovaina marika na IMEI ity, ka 10.000 ariary hatramin’ny 15.000 ariary ny sarany hanaovany izany. Nomarihan’ny zandarimariam-pirenena nanao ny fanadiadiana, fa mbola maro ireo hosamborina amin’ity raharaha ity.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

  1. Ilain-tsika ny olona manampahalalana toy intony : aoka mba l’amande no omena azy
    Dia ampina izy @ fahalalana izay efa ananany

  2. Tsy mila fahaizana manokana ny fanovana EMEI fa logiciel kely mora hita etsy sy eroa no ampiasana dia vita ny raharaha. Misy ohatra ny XPOSED IMEI Changer Pro mahavita izany ao anatin’ny fotoana fohy dia fohy..Raha tia karokaroka ianao dia tsotra be ny fanaovana azy. Ara-dalàna ve io fanovana io sa tsia? Tsy ananako ny valiny

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici