- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-Divers« Téléphone » miova savony na fitaratra : Voasambotra ireo atidoha mpikotrika...

« Téléphone » miova savony na fitaratra : Voasambotra ireo atidoha mpikotrika azy

Tsy resaka fampisehoana « magie » akory eto ny resaka fa fisolokiana sy fanova-maso. Ela ny ela ka tra-tehaka ihany ireo anisan’ny mpanao izany. Roa lahy tetsy Analakely ny alahady teo. Efa tsy tambo isaina tokoa no ireo efa lasibatra : mividy finday vaovao izao kanefa, rehefa tonga any an-trano na lasa savony izany na lasa fitaratra …

Ao anatin’ny hetsika manokana tanterahan’ny eo anivon’ny pôlisim-pirenana, hiadina amin’ny resaka tsy fandriampahalemana amin’ny endriny isan-karazany no fantatra fa nahazoana izao vokatra izao. Mihamafy hatrany mantsy ireo paik’ady entina, hanjonoana ireo tontakely. Raha tsy hiteny afa-tsy itony karazana fisolokiana izay efa an-taonany maro no efa nalaza sy fantatra kanefa zara raha mbola nisy olona voasambotra tao anatin’izany, raha tsy izao indray. Araka ny fampitam-baovao azo tokoa mantsy dia nisy nampandre tao anatin’ny fotoana fohy ireo mpitandro filaminana, izay fantatra fa efa mampitombo ireo olombelona eny an-kianja sy manao fisafoana, ka tsy afa-niala intsony ireto roa lahy mpisoloky.

Raha hazavaina tsotsotra ny teti-dratsin’ireto mpisoloky ireto, izay tsy niova hatramin’izay, dia toa izao : manatona olona ataony lasibatra izy ireo, izay matetika miaraka roa na maromaro foana, saingy ny iray ihany no  mampiresaka. Finday eto no hamidin’izy ireo ary mazàna dia saika finday avo lenta avokoa ary mbola ao anaty fonony, saingy hamidin’izy ireo amin’ny vidiny faran’izay mora. Miainga eo ny fandresen-dahatra rehetra ary tonga hatramin’ny hoe, « finday vao avy nalainay tatsy an’anona tatsy dia mila hamidy haingana », sy ny maro samihafa. Matetika dia saika tafiditra anatin’ny haraton’ireo olon-dratsy avokoa ireo lasibatra ary rafitra nividy tokoa. Mandeha amin’izay ny hafatra ny amin’ny hoe, « aza sokafana mihitsy raha tsy tonga any an-trano fa sao misy mahita ». Ho an’ireo hafa dia manaiky tokoa izay hafatrafatra izay, ary tsy manokatra ilay fonosany na ilay baoritra raha lasa lavitra. Kanjo na savony na fitaratra mitovy habeny amin’ilay finday vaovao vao novidiana no ao anatiny fa tsy ilay finday akory. Very vola !
Ho an’ireo mafiloha kosa, dia manokatra izany teo no eo, toy ity ramatoa iray tetsy Analakely tamin’ny alahady ity,  saika nataon’izy ireo lasibatra. Vao hitan’ity ramatoa ity fa fitaratra no tao anatin’ilay fonosany fa tsy ilay finday vao niadiana varotra teo,  dia niantso pôlisy nanao fisafoana tsy lavitra teo izy. Noraisim-potsiny teo ity mpisoloky, izay nanondro ny namany iray niaraka taminy. Nentina avy hatrany nihazo ny biraon’ny kaomisaria moa izy roalahy mpisoloky ireto mba atao famotorana ary notanana natao andrimaso avy hatrany, mialohan’ny hanolorana azy ireo eny anivon’ny Fampanoavana. Heverina fa santatra am-bava-rano ihany izao vokatra azo izao.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici