- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversMahajanga : Telo lahy mpivarotra basy voasambotra

Mahajanga : Telo lahy mpivarotra basy voasambotra

Eo an-tampon-tanàna no fanaovan’izy ireo ny bizna maloto

Mbola tena tanora saingy efa tafiditra ao anaty asa ratsy tanteraka. Mpivarotra basy no antom-piveloman’izy ireo. Tsy aiza fa eo an-tampon-tanànan’i Mahajanga no fanaovana ny bizna maloto. Tonga teny am-pototsofon’ny polisy tao an-toerana ny fisian’ilay tranga ary niainga teo ny fanadihadiana. Nandeha ny fitsongoana dia mba hahitàna ny toerana tena niaingàn’ireo fitaovam-piadiana. Raha ny fanazavàn’ny polisy dia tao Tsaramandroso sy Mazava Huile no tena voaporofo fa fivondronan’ireo jiolahy. Teo amin’ireo fokontany ireo arak’izany no nandeha ny fisamborana. Lehilahy telo no eo am-pelan-tànan’ny polisy ao Mahajanga momba ity raharaha ity. Basy vita gasy avokoa ireo azo teny amin’ireo andian-tanora lasa mpivarotra fitaovam-piadiana ireto. Zava-dehibe ho an’ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana ao Mahajanga ny vokatra toa izao. Ny antony dia nisy fotoana nirongatra ny fanafihana mitam-piadiana tao an-toerana ary tena nahafatesana olona mihitsy izany. Isan’izany ilay karàna izay vao nivoaka ny toeram-pivarotany dia avy hatrany dia notifirina ho faty. Voasambotra izany ny mpanelanelana eto fa mila fongorina koa ny orinasa kely tsy hita maso izay mpanambotra ireo basy vita gasy ireo.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici