- Publicité -
mardi, octobre 28, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina renivohitra : Tena mihetraketraka ireo andian-jiolahy

Toamasina renivohitra : Tena mihetraketraka ireo andian-jiolahy

Manao ny lalany mihitsy ireo andian-jiolahy eto Toamasina amin’izao fotoana izao, satria tsy misy fokontany tsy ahitana azy ireo amin’ny asany indrindra ny ao Ambalamanasy – Mangarano – Barikadimy – Depot – Andranomadio… ary ny Tanambao verrerie.

Isan’izany ity tranga nihatra tamin’ny tokantrano iray misy trano fivarotana tao Andranomadio P/elle 11/43 carreau VIII ity ny alahady maraina be teo, izay nilazan’ireo andian-jiolahy ireto fa « manana trano vato sy nahavita izany ve ianareo dia tsy manana vola efatra tapitrisa Ariary takianao aminareo ? ». Nilaza mantsy izy mivady tao an-trano fa tsy manana ilay vola izy ireo fa vola 600.000 Ariary no misy aminay raha alainareo. Nalain’ireto andian-jiolahy ihany ilay vola nisy tany amin’ity tokatrano notafihan’izy ireo ity, izay mbola nampian’ireto andian-jiolahy ny fananana tao an-trano mora entina sy mora aminy. Taorian’izay dia nodarodaroan’ireto andian-jiolahy izy mivady ka naratra mafy; tsy afaka nitsabo tena izy mivady raha tsy maraina ny andro ka efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy izy ireto.

Mbola tao amin’ity fokontany Andranomadio P/elle 11/43 saingy toerana hafa kosa carreau IV ny alahady maraina be teo hatrany. Tokantrano iray no nisy nanafika nandritra izany, saingy raha tafiditra ireto andian-jiolahy dia avy hatrany nanambana basy ity raim-pianakavina tao an-trano niaro ny fananany sy ny vady aman-janany. Raha vitany izany dia nitsoaka tany ambony tafotranony ilay raim-pianakaviana ka tsy tratran’ireto andian-jiolahy intsony ary tafatsoaka ny tenany. Soa ihany fa basy kilalao ilay basy nentin’ireto andian-jiolahy voatapitakan’ilay raim-pianakaviana, ka izay no nahafahany nitsiana ity. Nitsoaka avy hatrany koa ireo andian-jiolahy vao tratran’izany ary tsy nahazo na inona na inona.

Tao Mangarano II P/elle 11/47 teo akaikin’ny biraon’ny faritra atsinanana dia tranga na fanafihan-jiolahy niisa fito lahy no nihatra tamin’ity tokantrano iray. Vao tafiditra tao an-trano ireo andian-jiolahy dia ny vola avy hatrany no notakiany tamin’ny filazana hoe “avohay ny Vola…”. Namaly ireo tao an-trano nandritra izany “tsy misy vola ato aminay fa telefonina no misy ato”. Vokatra izany dia nomen’ireto andian-jiolahy tehamaina tsirairay ireo rehetra tao an-trano, ary ireo jiolahy sasany nanangona ireo entana azo amidy haingana, ka finday valo no voaangona sy solosaina iray entin-tanana. Azon’ireto jiolahy ny nalainy dia lasa izy ireo, ka teo vao afaka niantso vonjy ireo olombelona rehetra tao an-trano voatafika.

Manao antso avo amin’ny mpitandro filaminana ireo vahoaka monina tao amin’ireo fokontany voatafiky ny jiolahy ireto. Hatreto anefa dia mbola miraviravin-tanana ireto mpitandro filaminana, ka miandry ny fandaminan-draharaha vao afaka mihetsika.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici