Tena fampiharana ny zavatra hitan’izy ireo tamina horonan-tsary mihetsika ny fomba namonoan’izy efatra mianadahy ireo an’ity teratany frantsay antsoina hoe Brent Mario Auguste, 69 taona teto Toamasina ity; izay ny sakaizany faharoa eto Toamasina 19 taona sy ny namany vavy roa samy 20 taona ary ny tovolahy iray 26 taona no nahavanona ny habibiana tamin’ny famonoana.
Raha ny fanazavana, dia ny 18 desambra teo no tonga teto Toamasina avy ao La Réunion ity tera-tany frantsay ; izay zandary misotro ronono ity. Vao nigadona teto izy tao amin’ilay sakaizany voalohany izy no nivantana sy nipetraka teto Toamasina. Ny 19 desambra anefa, dia niaraka izy ity sakaizany voalohany namany ilay sakaizany faharoa tao Ambalamanasa tao amin’ny “Cite Gracias”, saingy vao tonga tao dia tezitra tamin’ny sakaizany faharoa ilay frantsay fa olona mirevy sy mandany vola amin’ny fiboboana toaka sy famelomana jaombilo no hitany, ka noroahiny tsy hipetraka amin’ity trano nofainy ity intsony ity sakaizany faharoa ity. Raha niverina fanintelony tokony ho tamin’ny 04 tolakandro ny 19 desambra io ihany ilay vazaha no nitranga ny hevi-dratsin’ity sakaizany faharoa ka raha variana namantsika ny varavarankely iny ilay teratany frantsay, dia nokapohany tamin’ny “marteau” ny lohany. Mbola afaka niteny ingahy Brent Mario taorian’izany, saingy avy hatrany dia nokendain’ity tovolahy iray ity ary nandritra izay no nanampina ny lohan’ilay frantsay tamin’ny ondana ireto roa vavy namany ka maty tsy tra-drano ilay vazaha. Raha ny fanazavana dia nokaramaina 3 tapitrisa ariary ilay tovolahy, 2 tapitrisa ariary avy ireo tovovavy roa tamin’izao famonoana sy firaisana tsikombakomba tamin’ny famonoana olona izao. Taorian’izay, dia nofonosin’izy ireo ilay faty ary nataon’izy ireo tao anaty larimoara ka nentin’izy ireo nalevina tany Ampanalana nentin’ ireo tamin’ny fiara 4×4 an’ilay tovolahy ihany, ny alin’io 19 desambra io. Ny 20 desambra raha nahita ny sakaizany tsy nody mihitsy ilay tovovavy sakaizan’i Brent Mario Auguste voalohany izay nipetrahany teto Toamasina, dia nampandre ny zandary misahana ny heloka be vava ary nanomboka teo ny fikarohana sy ny fanaovana ny antso tamin’ny haino aman-jery, ka ny 22 desambra no nahazo antso ny zandary fa misy zavatra hafahafa ao Ampanalana. Raha nosavaina tokoa ity lavaka nampiahiahy ity dia ilay vazaha maty efa simba tanteraka tao anaty larimoara no hitan’ny zandary.
Niaiky ny heloka nataony avokoa izy efatra mianadahy ireto taorian’ny famotorana azy ireo, ary nilaza fa ny fisarahan’ilay vazaha taminy tampoka no nahatonga ilay tovovavy 19 taona sakaizany faharoa nanao izao hevitra hamonoana azy izao. Taorian’ny fitsarana, dia miandry ny fitsarana azy ireo ao Ambalatavoahangy avokoa ankehitriny noho ny resaka vono olona vitan’izy ireo.
Malala Didier