Olona folo no voasambotry ny zandary. Ao anatin’ireo, ilay olona efa mpandray azy, izay tsy iza fa mpanao baolina taloha ihany. Nikasa ny hanangana kianja « synthétique » azy manokana, avy amin’ireto fingotra, nangalarina avy amin’ny tetik’asan’ny Filoham-pirenena ireto ingahirainy.
Efa andro maromaro tokoa no efa tonga teny am-pototsofin’ireo mpitandro filaminana ny fisian’ireo halatra fingotra (caoutchouc) ity tao amin’ireo kianja manara-penitra tao Moramanga sy Ambatondrazaka ireo. Efa misy mandray any an-drenivohitra izany entana izany ary afenina aok’izany ny fitondràna azy amin’ny lalam-pirenena, raha tsy misy ny fitsirihana hentitra ataon’ireo tompon’andraikitra. Mazava azy, efa baiko hentitra amin’ny kaomandin’ny tobim-paritra Imerina Central, ny fanaovana fitsirihana hatrany amin’ny faran’ny kely indrindra ireo fiarabe mandalo amin’iny lalam-pirenana faharoa iny, manomboka eo amin’ny faritra iadidiany.
Tao anatin’ny iray tamin’ireo fiara mpitatitra entana ireo tokoa, ny talata teo, tetsy Carion, rehefa nisy ny fisavàna hentitra dia nahitàna gony voasesika fingotra (granulés de caoutchouc) an-jatony isa, nezahina nafenina niaraka tamin’ny gony misy tsaramaso tao anatin’izany fiara izany. Nosamborina teo no ho eo avy hatrany ny olona roa, ny mpamily sy ny olona nirahina hitondra izany entana halatra izany. Tamin’io fotoana io ihany koa, nisy fiara « fourgon » iray voasakana tetsy Anosibe, izay tratra nitondra fingotra natao anaty gony miisa 40 isa. Nosamborina teo no ho eo ihany koa ny mpamilin’izany. Nilanja teo amin’ny efatra taonina teo hatreo izany ireo fingotra halatra sarona.
Mpandray halatra. Mazava teo ary voamarina ny fisian’ity halatra entana avy amin’ny fanamboarana ireo kianja « manara-penitra » ity. Nitohy araka izany ny famotorana ary niafara tamin’ny fisamborana ny mpanafatra sy mpandray izany entana izany. Mpilalao baolina matihanina teo aloha, monina eny amin’iny faritra Ambohitrimanjaka iny. Tamin’ny fisavàna ny tranony moa dia mbola nahitàna gony feno fingotra, nilanja teo amin’ny roa taonina mahery teo tao aminy. Voalazany fa novidiany tamin’ireo tompon’andraikitra vitsivitsy, tao amin’ilay orinasa misahana ny fanamboarana izany tetik’asan’ny Filoham-pirenena izany izy ireo. Marihana fa ity orinasa iray ihany no manamboatra ny any Moramanga sy ny ao Ambatondrazaka. Niantefa tamin’ireto farany indray ny ivon’ny fanadihadiana, ka ny « chef de chantier » iray tao Moramanga sy ny injeniera iray tao Ambatondrazaka no nosamborina. Izy roa lahy no fantatra fa atidoha mpamoaka ireo entana ireo, niaraka tamin’ny mpiambina efatra mirahalahy, izay nosamborina niaraka tamin’izy ireo ihany koa. Hatreto olona folo no tafiditra ao anatin’ity tambajotra mpangalatra ity, ary notazonina natao andrimaso etsy Ankadilalana. Anio moa no fantatra fa hanolorana azy ireo eo anivon’ny Fampanoavana. Marihana fa ireto kianja ireto dia efa vita fandraisana ara-teknika, raha ny fampitam-baovao azo, saingy tsy mbola voatokana ara-pomba ofisialy. Ny Fanjakàna malagasy kosa no fantatra fa hijoro ho mpitory amin’izao raharaha izao.
m.L



