- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversTetezan-dRamala Isotry : Roalahy mpanendaka sy mpitsindrona « drogue »

Tetezan-dRamala Isotry : Roalahy mpanendaka sy mpitsindrona « drogue »

Ny sabotsy lasa teo, bandy roalahy izay efa nahazoan’ny pôlisy vaovao mahakasika ny fifandraisan’izy ireo tamin’ireo andian’olon-dratsy mpanendaka sy mpangarom-paosy, izay  mampikaikaika ny mponina eny amin’iny faritra Isotry iny no voasambotra ny sabotsy lasa teo. Nahitàna « seringue » fitsindroman’izy ireo rongony tany aminy, hoy ny fampitam-baovao azo. Nentina avy hatrany nihazo ny biraon’ny kaomisaria moa izy ireo natao famotorana.

Miparitaka ary tsapa tato ho ato fa tena niha-betsaka izay tsy izy ny mpanjifa itony karazana rongony mahery vaika, hampidirina amin’ny alalan’ny tsindrona itony. Tsy vitan’izay anefa fa mirongotra manaraka izany ihany koa ny resaka tsy fandriam-pahelamana, fanendahana sy sinto-mahery, indrindra fa amin’ireo faritra be olona sy voasokajy ho faritra mena, toy ny eny 67ha sy Isotry iny. Manoloana izany indrindra, dia tsy mitsahatra ny manao hetsika ho famongorana ireo tontakely ny eo anivon’ireo kaomisarian’ny boriborintany enina eto an-drenivohitra. Ity teny amin’ny faritra Isotry ity izao dia fantatra fa milatsaka manao fisafoana amin’ireo elakalekan-trano isan-karazany eny an-toerana sy mifangaro amin’ireo mponina mihitsy ireo mpitandro filaminana, manao fanamiana sivily. Antony nahafahana namantatra sy nisambotra ireto tontakely ireto.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici